Romans 6

1Inona ary no ho lazaintsika? Tokony hanohy amin’ny fahotana ve isika mba hitomboan’ny fahasoavana? 2Tsy hisy mihitsy anie izany. Isika izay maty ny amin’ny ota, amin’ny fomba ahoana moa no mbola hiainantsika amin’izany ihany? 3Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra natao batisa tao amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa tao amin’ny fahafatesany?

4Koa, voalevina, niaraka taminy tamin’ny alalan’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika. Nitranga izany mba ho toy ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin’ny fiainam-baovao ihany koa. 5Fa raha mikambana Aminy amin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia hikambana amin’ny fitsanganany ihany koa.

6Fantantsika izany, fa ny tenantsika taloha dia nofantsihana niaraka taminy, mba hamotehana ny tenan’ny ota. Nitranga izany mba ho andevozin’ny ota intsony isika. 7Izy izay maty dia nambara fa marina sady afaka amin’ny fahotana.

8Fa raha maty niaraka tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona Aminy ihany koa. 9Isika dia mahafantatra fa nitsangana tamin’ny maty Kristy, ary tsy maty intsony Izy. Tsy manjaka Aminy intsony ny fahafatesana.

10Fa raha ny momba ny fahafatesana dia maty nohon’ny amin’ny fahotana Izy, maty indray mandeha ho an’ny rehetra Izy. Kanefa, ny fiainana izay hiainany dia iainany ho an’Andriamanitra. 11Dia tahaka izany, tsy maintsy mihevitra ny tenanareo ho efa maty amin’ny fahotana ihany koa ianareo, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy.

12Noho izany aza avela hanjaka ao amin’ny tenanareo mety maty ny ota mba hanarahanareo ny filàn-dratsy. 13Aza atolotra ho an’ny fahotana ny ratsam-batanareo, ho fitaovana ampiasaina amin’ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny nitsangana tamin’ny maty izay velona ankehitriny. Ary atolory ho an’Andriamanitra ny ratsam-batanareo mba ho fitaovana ampiasaina amin’ny fahamarinana. 14Aza avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana.

15Ka inona ary? Tokony hanota ve isika satria tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anie izany. 16Tsy fantatrareo ve fa ilay iray izay anoloranareo ny tenanareo ho mpanompo dia ilay iray izay ho hankatoavinareo, ilay hany tsy maintsy hankatoavinareo? Marina izany na mpanompon’ny fahotana izay mitarika any amin’ny fahafatesana ianareo, na mpanompon’ny fankatoavana izay mitarika any amin’ny fahamarinana.

17Fa isaorana Andriamanitra! Satria efa mpanompon’ny fahotana ianareo, kanefa nankatoa tao am-ponareo ny fomba fampianarana izay nomena anareo. 18Nafahana tamin’ny ota ianareo, ary natao mpanompon’ny fahamarinana.

19Miteny tahaka ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo. Satria vantany vao nanolotra ny ratsam-batanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny ratsy ianareo, dia tahaka izany koa izao, atolory ho andevon’ny fahamarinana ho amin’ny fahamasinana ny ratsam-batanareo. 20Fa fony ianareo andevon’ny ota, dia afaka tamin’ny fahamarinana. 21Amin’izao, inona ary no vokatra azonareo tamin’ireo zavatra izay mahamenatra anareo ankehitriny? Satria ny vokatr’ireny zavatra ireny dia ny fahafatesana.

22Fa ankehitriny rehefa nafahana tamin’ny ota ianareo ary tonga mpanompon’Andriamanitra, dia mijinja ny fahamasinana. Ny vokatra dia ny fiainana mandrakizay. Fa ny tambin’ny ota dia fahafatesana, fa ny fanomezan’Andriamanitra kosa dia ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

23

Copyright information for PltULB